TwitterFacebook

Tsy mahatanty resy

Lany soamantsara teny Tsimbazaza ilay volavolan-dalàm-pifidianana omaly. Afaka miroso amin’ny dingana manaraka izany izao ny firenena rehefa avy mandalo eny Anosikely sy eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana io lalàna vaovao io. Rariny loatra raha niteraka adihevitra lehibe sy mety ho tsy fitovian-kevitra mihitsy ity lalam-pifidianana ity satria ain-dehiben’ny firenena no resaka. Amin’ny lalao demokratika anefa dia izay tapaky ny maro an’isa no mandresy ka ireo dépiote maro an’isa izany no nanapa-kevitra ny hiroso hanova ny tantara. Efa fantatra fa tsy nanaiky ny handany ity lalàna ity ireo solombavam-bahoaka avy ao amin’ny TIM sy Mapar, izany hoe ireo efa mieritreritra sahady ny hiakatra eo amin’ny fitondrana amin’ny fomba rehetra. Ny tena antony mazava dia tsy mazava loatra rehefa namaky ireo tolo-kevitra (efa ho 80 isa) nataon-dry zareo hanovàna ity lalàna ity ary ny akamaroany dia mahatsikaiky mihitsy aza. Tsy mahagaga sy tsy mahataitra noho izany raha ireny no fihetsika nataon’izy ireo rehefa hitany fa tsy afaka ny hanova ny lalàn’ny maro an’isa izy ireo teny Tsimbazaza. Ekena fa tsy misy ny lalàna tonga lafatra na koa hoe eken’ny rehetra zato isan-jato saingy tsy misy koa anefa ny lalàna ratsy fa miankina amin’ny mpampihatra azy no maha-ratsy na tsia ny lalàna iray. Ary koa, amin’ny firenena demokratika dia misy foana ny adihevitra sy ny tsy fitovian-kevitra saingy rehefa niteny ny fifidianana dia tokony hangina ny rehetra. Any amin’ny CENI izay hampiasa ity lalàna ity izany izao ny baolina. Anjarantsika vahoaka no mijery sy manara-maso tsara mba ho ampiasaina amin’ny tokony ho izy ity lalàna ity. Ny tsara ho marihina dia nandalo fakan-kevitra naharitra ny fandrafetana ity lalàna ity ary nandray anjara tao avokoa hatramin’ireo mpiara miombin’antoka izay nidera mihitsy ny fanapahan-kevitry ny fitondrana tamin’ny fanokafany ny ady hevitra tamin’izany. Ary tamin’ny fotoana nandaniana izany teny Tsimbazaza dia mbola nanome vola 100 tapitrisa dolara hoan’ny fanatsarana ny fampianarana, ohatra, ny Banky iraisam-pirenena. Porofo izany fa na dia eo ary ireo mpanasoketa sy tsy miketrika afa-tsy ny hanimba fotsiny dia mbola mahatoky tanteraka ary manohana ny asa fampandrosoana ataon’izao fitondrana izao izy ireo.

NIRINA RAMANANTSOA

13 commentaires

  1. free mp3 download sites skull Repondre

    Good website! I truly love how it is easy on my eyes and the data are well written. I’m wondering how I could be notified whenever a new post has been made. I have subscribed to your RSS feed which must do the trick! Have a nice day!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis