TwitterFacebook

Ny omaly tsy miova ihany

Efa mba miezaka ihany fa eeeee. Mba anisan’ireo nihaino ny resaka izay nataon’ny filohan’ny Tetezamita teo aloha aho ny zoma lasa teo. Mpanao gazety moa ny tena ka adidy ny manaraka ny zava-misy sy niandry izay mba nolazain’ity ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha ity. Mba mitsapa hoe hatraiza ny halalin’ny rano, hoy ny fitenenana, satria raharaham-pirenena no atrehina ary indrindra, efa fantatra ny fetran’ny fahaizan’ny lehilahy raha vao resaka teknika no resahina. Mazava ho azy fa ny resaka lalàm-pifidianana no nasiany teny, satria io izao no toe-draharaha mafana eto amin’ny firenena. Tsoriko fa tena diso fanantenana tantareka ny tena satria mba niandry izay tolokevitra avy aminy, saingy mbola nazava indray izao fa ny resaka kobaka am-bava sy fidedahana eo imason’olona no manavanana azy fa tsy ny hitondra hevitra mivaingana. Raha apetraka amin’ny olom-pirenana mantsy androany, eny fa na dia ireo mpomba azy ary ny fanontaniana hoe : inona no zavatra mivaingana tamin’ireo voalazan’Andriamatoa Rajoelina ny zoma teo dia, inoana fa tsy misy hevi-dehibe tafajanona mihitsy na dia iray aza. Ny nanaratsy ilay volavolan-dalàna mantsy no tena nataony, fa ny hoe inona marina ao amin’ilay volavolan-dalàna no mety hisy hanakorontana dia, tsy nahazoana valin-teny mahafa-po mihitsy. Indrindra moa fa ny hoe mba inona ary izany ny tolokevitra avy amin’Andriamatoa Rajoelina mba hanatsarana ny fifidianana eto amintsika dia tsy nisy mihitsy. Ny olona amin’ny mpanao politika be bontolo tahaka ireny dia ny mitsinjo ny tombotsoany no tena mahamaika azy. Lazaina fa mety hampahazo vahana ny kandidam-panjakana no tanjona, nefa tsy misy mihitsy ny fanazavana hoe amin’ny fomba ahoana ? Ary indrindra, tsy efa nametra-pialana ve izay filoha mitondra ary mikasa hilatsaka hofidiana ka iza indray no ho kandidam-panjakana eo ? Raha tsorina dia ny manohitra bontolo no tena paikadin’ny lehilahy, toy ny efa fanaony moa io ka tsy dia mahagaga loatra. Ny manimba no tena angadiny, satria matoa ny firenena tonga amin’izao toerana misy azy izao dia rangory fototry ny afo ny raharaha 2009 izay mbola nampian’ny tsy fahaiza-mitantan’ireo olon’ny Tetezamita totraka. Izany omaly tsy miova izany ihany ve no mbola heverin’ny sasany hitondrana ity firenena ity e?

NIRINA RAMANANTSOA

4 commentaires

  1. zvodret iluret Repondre

    Very interesting information!Perfect just what I was looking for!

  2. satta matka, satta king, satta, matka, kalyan matka Repondre

    109990 908369hi!,I like your writing so considerably! share we maintain up a correspondence extra approximately your post on AOL? I call for a specialist on this space to solve my dilemma. May be that is you! Looking ahead to peer you. 543712

  3. International Logistics Service Repondre

    878851 68432Hello. Neat post. There is an concern together with your web site in firefox, and you could want to test this The browser could be the market chief and a big part of other people will miss your amazing writing because of this difficulty. 785292

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis