TwitterFacebook

Nipoitra ny nafenina

Tena vokatry ny fo tokoa na ny kabary nataon’i Tinoka Roberto na ny an’i Guy Rivo Andrianarisoa teny amin’ny kianjan’ny 13 may omaly. Tsy nahatanty ny orakorak’ireo mpomba an’i Marc Ravalomanana ity solombavam-bahoaka avy ahy Sakaraha ity ka niha-niakatra hatrany ny feo nandritra ny fandraisam-pitenenana izay natao hanazavana ny antony nandrosoan’ny Mapar ny mpiraiminisitry ny marimaritra iraisana Ntsay Christian. NY an’i Guy Rivo Andrianarisoa moa dia tsy nahatanty nokitikitihin’iry voalohany ny vononahitry ny lehibeny raha nolazaina fa nanao sonia ny fifanarahana ny fanendrena ity lehiben’ny governemanta ity i Marc Ravalomanana. Vaky bantsilana teo ny adin’ny roa tonta ary na nanavotra teo imason’olona aza ny fifampifandraisan-tanana nataon’i Christine Razanamahasoa dia inoana fa mbola nafotaka ny ady tany ambadika. Nibaribary ny naha fiarahana mamoafady na « alliance contre-nature » nisy teo amin’ireto antoko politika roa ireto. Tombotsoa manokana no tena nokatsahin’ny roa tonta ka tsy mahagaga raha mibaribary toy izao ny tsy fitovian-kevitra rehefa mifanipaka izany. Ny ahiana aza dia ny tsy fifanarahana eo amin’ny Mapar sy TIM indray no hampikatso ny fananganana ny governemanta vaovao izay hikarakara ny fifidianana. Nody tao anatin’ny hakiviana ihany ireo mpanaraka ny hetsika etsy amin’ny 13 may omaly. Tsapa fa efa namadika pejy ireo solombavam-bahoaka 73 ka efa any amin’ny ady seza aloha izao no mitodika ny hakamaroany. Sahirana mihitsy ireo nifandimby nandray fitenenana nanohana ny fanendrena ny mpiray minisitra saingy mafy loatra ny angamba ny fitiavan-tseza ka tsy menatra intsony ny mivadika eo imasom-bahoaka. Ny tena manahirana ireto mpitolona ireto dia ny hafetsen’ireo mpitarika azy ireo dia i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana izay nilaza foana ny tsy manohana ity hetsika ity ka tsy afaka miteny mivantana ireo olona mpomba azy eny an-kianja. Hita anefa izao fa saribakoly ny ankamaroan’izy ireo ka manatanteraka baiko fotsiny ihany no tena andraikiny. Antenaina fa hanana ny fahaizana sy fahefana mandidy ampy tsara ny lehiben’ny governemanta vaovao izay handray ny toerany anio mba tsy hikatso indray ny toe-draharaha.

NIRINA RAMANANTSOA

1 commentaire

  1. look at here now Repondre

    I simply want to say I am just beginner to weblog and truly enjoyed your web blog. Very likely I’m likely to bookmark your site . You certainly come with really good article content. Appreciate it for sharing your website page.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis