TwitterFacebook

Matahotra fifidianana ?

Azo lazaina fa efa nahazo fandresena lehibe ireo mpanao fihetsiketsehana eo amin’ny kianjan’ny 13 mey. Ankoatran’ny fialan’ny filoham-pirenena dia saika azon’izy ireo avokoa izay nangatahiny rehetra. Raha tsorina dia nanampy betsaka azy ireo ny fahendren’ny filoham-pirenena satria namela azy ireo naneho hevitra malalaka , eny nanakorontana sy nanao izay hampikatso ny fiainam-pirenena mihitsy aza, nandritra ny roa volana. Ary indrindra, nanao izay ahitana vahaolana faran’izay haingana ny filoha mba hitandrovana ny tombotsoan’ny firenena sy ireo dingana efa vita ho fanarenana an’i Madagasikara nandritra izay efa-taona mahery nitondrany izay . Tamin’ireo krizy efa niainan’ny firenena tany aloha dia valo volana ny fohy indrindra ny faharetany ary ny krizy 2009 dia naharitra dimy taona ngarangidiny be izao. Ny antony dia ny fizirizirin’ireo izay teo amin’ny fitondrana ka tsy niezaka handefitra mihitsy ho tombotsoan’ny vahoaka. Tamin’ny 2009, ohatra, raha nandefitra kely fotsiny ny filoha Marc Ravalomanana nandritra ireo fifampiresahana tamin’i Andry Rajoelina dia tsy nisy ny krizy izay namotika tanteraka an’i Madagasikara. Raha fehezina dia mpitondra hendry i Hery Rajaonarimampianina ary indrindra, ny tsikera rehetra izay anendrikendrehana ny filoha dia tsy misy porofo mivaingana saingy novoizina tamin’ireo tambajotra sosialy ka nanjary inoan’ny olona sasany. Raha ampitahaina amin’ireo mpitondra rehetra nifandimby dia tsy mena-mitahy ny zava-bita nandritra ny nitondrany na dia teo aza ny sakantsakana sy fingana rehetra nataon’ny mpanohitra. Inona fa mbola maro noho izany ireo vahoaka maniry ny hitohizany ihany eo amin’ny fitondrana aorian’ny fifidianan filoham-pirenena ho avy eo. Izany indrindra no mahatonga ireo eny amin’ny kianjan’ny 13 miziriziry amin’ny fialany na dia efa nahazo fandresena ihany aza. Mbola matahotra ny filoha Hery Rajaonarimampianina izy ireo rehefa ho avy ny fifidianana satria mbola mamy hoditra amin’ny toerana maro eto Madagasikara ny filoham-pirenena noho izy nahavita zavatra tsy araka izay voizina eny Analakely. Toy ny tamin’ny 2013 dia misoko mangina ny fandresena na dia azo lazaina ho tsy anisan’ireo « favori » aza izy tany am-boalohany.

NIRINA RAMANANTSOA

2 commentaires

  1. Tonton Ja Repondre

    Mazava ankehitriny fa tsisy antony tokony hitohizan’ny fihetsiketsehana eny @ 13 Mai intsony. Ny firosoana @ fiaraha-miasa no tokony atao ho fampandrosoana ny fiainam-pirenena

  2. click for more Repondre

    I simply want to tell you that I am newbie to blogs and actually enjoyed this blog site. Likely I’m want to bookmark your website . You amazingly come with really good stories. Appreciate it for revealing your webpage.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis