TwitterFacebook

Fahendrena no ilain’i Madagasikara

Mihamanakaiky ny fifidianana ary mihamafy ny fifampihantsiana sy fifanaratsiana eo amin’ireo samy kandida. Manoloana izany dia, mihamitombo ihany koa ny ahiahy ny amin’ny mety hisian’ny krizy izay hitarika ady aorian’ny fifidianana. Ny tombotsoan’olon-tokana no manjaka, satria ho an’ny sasany dia toa karazany fampiasam-bola mihitsy ity fifidianana sy fakàna fitondrana ity. Dia ho sanatria ve mitombona ny ahiahin’ny amiraly Ratsiraka izay nilaza fa loza mitatao ho an’i Madagasikara raha mikiry ny hanao fifidianana ankamehana isika ? Aleo alamina aloha, hoy ity Filoha teo aloha ity, saingy ny mampametra-panontaniana dia hoe, amin’ny fomba ahoana ? Moa va mbola mety halamina ireo izay efa miandrandra ny haka fahefana ny hanjakazaka eto amin’ity Madagasikara ity indray ? Mampalahelo ny zava-misy ankehitriny, satria toa vonona hiady an-trano ny Malagasy. Tantara sisa izany hoe fihavanana izany raha ny fifanompana hita any anaty tambajotra sosialy rehetra any no jerena. Maro loatra ireo lasa mahery fihetsika, baikon’ny tombontsoa samirery sy ny fanompoana olon-tokana ka vonona mihitsy hanao sorona ny firenena. Dia ho sanatria ve hiady an-trano eto tokoa isika ? Hatraiza no vitan’ireo tsy mataho-tody haleha mba hiariovany ny tombontsoany ? Dia ho sanatria tokoa ve efa misy mikononkonona ny hamboly ady an-trano any ho any ka efa miomana amin’ny fitaovam-piadiana ? Mampihorin-koditra tokoa ny mamisavisa izany, satria dia ho toy ireo tany afrikana rehetra miady an-trano izany isika atsy ho atsy. Asa hanao ahoana ireo taranaka sy faramandimbin’ny Malagasy izay efa miandrandra ny tsaratsara kokoa, ny fandrosoana sy fampandrosoana. Tsy misy afa-tsy ny fananana Filoha hendry afaka mandefitra sy mitsijo hatrany ny marimaritra iraisana no ahazoantsika misoroka izany. Marina fa nisy ireo nanakiana ny Filoha Rajaonarimampianina ny amin’ny fitandroany foana izany maha Raiamandreny azy izany, saingy ilain’i Madagasikara izany toetra izany ankehitriny. Raha tsy ny fandeferana dia tsy nahita filaminana toy izao indray isika taorian’ireny hetsika tamin’ny 21 aprily ireny. Ny fahendren’ny mpitantana izany sisa no hany vahaolana hoan’i Madagasikara raha te hilamina isika.

NIRINA RAMANANTSOA

13 commentaires

  1. Ambrose Valdivia Repondre

    Great goods from you, man. I’ve understand your stuff previous to and you’re just extremely magnificent. I actually like what you’ve acquired here, certainly like what you’re saying and the way in which you say it. You make it enjoyable and you still care for to keep it sensible. I can’t wait to read much more from you. This is actually a terrific website.

    https://medium.com/@outdoorstack/best-night-vision-scope-for-the-money-610a3978dccc

  2. Rene Kominek Repondre

    magnificent issues altogether, you simply won a new reader. What might you recommend in regards to your publish that you made some days in the past? Any sure?

  3. Sherman Burck Repondre

    Some truly fantastic posts on this web site , appreciate it for contribution.

  4. Jeremy Wolven Repondre

    Took me time to learn all the feedback, but I actually loved the write-up. It proved to be Very beneficial to me and I’m positive to all the commenters here! It really is always superior when you can not solely be informed, but additionally entertained! I am positive you had enjoyable penning this post.

  5. Shera Guterman Repondre

    You really make it appear so easy along with your presentation but I in finding this topic to be actually something that I believe I might by no means understand. It seems too complicated and extremely huge for me. I am taking a look forward to your subsequent submit, I will try to get the hold of it!

  6. Cecilia Repondre

    I studied in a few faculties for acting.

  7. hack Repondre

    Do you mind if I quote a couple of your articles as long as I provide credit and sources back to your site?

    My blog site is in the very same area of interest as yours and my visitors would really benefit from some of the information you
    present here. Please let me know if this ok with you. Thanks a lot!

  8. 醫學美容 755蜂巢 cosmetic.wiki Repondre

    微整全能水感注光白滑霜 SWISS CLUB 蘊含多重全能水成份,不但能為肌膚24小時源源不絕地注入水感注光白滑感,提供卓越的超级滋潤和保濕功效,並有助肌膚吸收空氣中的水份及減低水份流失.能夠於短短兩星期內顯著提升皮膚光透度.所有成份經皮膚科醫生證實性質溫和,適合各種肌膚使用,包括易敏感皮膚.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis