TwitterFacebook

Aza atao vonovorona fotsiny

Nanao fampisehoan-kery tetsy Mahamasina omaly ireo mpitandro ny filaminana. Nahavariana tokoa ny nijery ireto miaramila sy polisy nanao hetsika fiarovana sy fanafihana niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Raha ireny tokoa no tena ampiasaina mba hanenjehana dahalo sy ny jiolahy mpanao fanafihana sy kidnapping, efa firenena nandry fahizay i Madagasikara. Fa taiza foana ary no tsy nampiasaina ireny fahaiza-manao ireny hatramin’izay ? Io no fanontaniana manitikitika ny saina raha nijery ireto maherifontsika ireto manao sarin’ady. Sao lahy ny vono vorona no tena betsaka fa rehefa tena mifanehitra amin’ny dahalo dia tsy mahovoka akory. Io vono vorona io mantsy dia anisan’ny tetik’ady fampiasan’ireo mpitandro ny filaminana mihitsy rehefa miasa. “Action na présence dissuasive”, hoy ny voambolana fampiasan’izy ireo. Izany hoe aderadera daholo aloha ny olona sy ny fitaovam-piadiana dia manantenana fa tsy hahasahy hihetsika ireo olon-dratsy. Toy ireo jeneraly marobe ao anatin’ny foloalinfahy, kanefa toa tsy dia misy ady lehibe na koa hoe fanahiana ny hisian’ny mpanafika avy any ivelany akory eto Madagasikara. Eny amin’ny làlam-pirenena eny aloha dia tena mihorohoro mihitsy ireo mpitatitra rehefa mandalo ny sakan’ny zandary izay manenitra ny làlam-pirenena rehetra. Sao dia tapahin-drasefo eo indray ny tombom-barotra kely. Indrisy anefa fa toa efa tsy mahomby intsony izany amin’ireo jiolahy, satria na andiana fiara efa arovana mpitandro ny filaminana izao aza efa sahin-dry zalahy tafihana ankehitriny. Tsy mampitahotra intsony ve ny miaramila malagasy sa tsy zatr’ady, na koa ireo jiolahy no efa tsara hofana sy ampy fitaovana kokoa ? Na koa, sao dia ny sasany amin’ireo mpiaro ny vahoaka sy ny fananany indray no lasa fanetriben’ny firenena ? Ny ilazana izany rehetra izany dia mba hisintonana ny sain’ireo tomponandraikitra fa mahafinaritra tokoa ny fanaovana fampisehoana, saingy ny vokatra izao no ilain’ny vahoaka. Raha ny tena izy aza dia tokony ho menatra sy hisitritsitrika mihitsy ny mpitandro ny filaminana raha ny tsy fandriampahalemana manjaka ankehitriny no jerena. Vita izay ny vono vorona. Hetsika izao no ilaina.

Nirina Ramanantsoa

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*