TwitterFacebook

Aoka izay ty foto-pisainan’ny “majinika” lava ity e!

Neneho ny alahelony ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra omaly manoloana ireo asa fandrodanana ireo trano kely tsy ara-dalàna eto Iarivo. Milaza mantsy izy ireo fa antsojay atao aminy izao mitranga izao! Asa aloha na antsojay ny fandrodanana fanorenana eny ambony làlan’ny mpandeha antongotra. Io foto-drafitrasa io mantsy no nisy voalohany ary voafaritry ny lalàna fa ny arabe ho an’ny fiara ary ny sisin-dàlana kosa voatokana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Tsy izany anefa no misy eto andrenivohitra satria efa nampanofain’ny mpitantana ny tanàna ny ankamaroan’ny sisin-dàlana. Izy indray aveo no milaza fa mitondra faisana amin’ny antsonjay. Tsy mahagaga raha toa ka niala maina hatrany izy ireo amin’ny fandaminana ny tanàna. Ary tsy hivoatra mihitsy ny firenena raha toa izany fomba fisainana izany no hampitaina amin’ny vahoaka. Tsy hiala hivarotra eny amoron-dàlana mihitsy ny olona ary tsy mety hiditra any amin’ny toerana voatokana amin’izany satria milaza hatrany izy ireo fa ny “majinika” hatrany no henjehina. Ireo mpitarika sarety sy mpitarika posy ihany koa dia tsy hanaja mihitsy ny ora izay voatondro handehanany satria hono izy ireo “majinika” mitady vola. Toa izany ihany koa ny fanalana ireo olona manorina fonenana eny amorin’ireo lakan-drano ka manototra azy ireo ary tsy ahafahan’ny rano mikoriana ka miteraka tondra-drano isan-taona izao. Ny dadabeany hono no efa teo ary izy ireo hono “majinika” ka tsy azo hesorina eny. Toa izany hatrany no vali-teny azo eto amin’ity firenena ity raha mba misy fanatsarana tian-katao eto. Maika ery anefa ny sasany manakiana fa tsy mandroso mihitsy ny firenena ary mahamenatra ny nosin-drazana amin’ireo loto sy fahasimbana. Aiza anefa moa no handrosoana eto satria rehefa mandray andraikitra ny sasany dia esoina ny hafa ary izy ireo indray no mamporisika ny olona hikomy satria hono mamono ny “majinika”! Raha tiana anefa ny hivoatra amin’ny tsara kokoa tsy maintsy misy hatrany ny fandraisana andraikitra mety ahavoakasika ny olom-bitsy mba ho tombotsoan’ny maro. Tsy ho vita mihitsy ohatra iny làlana mampitohy an’Ankazomanga sy Andohatapenaka iny raha tsy nanaiky hanome ny tany ireo mponina teny. Hita anefa ankehitriny fa tena nanala fahasahiranana ny maro ny fahavitan’izany. Tsy ho afaka ihany koa ny fitohanana lavareny eto andrenivohitra raha toa ka ho ampanofain’ny mpitanana hivarotana lava izao ny làlan’ny mpandeha an-tongotra. Ka “majinika” na “vaventy” aoka izay ty famendrofendroana lava ity fa efa taraiky loatra ny fampandrosoana ity renivohitra ity!

Vonjy Radasimalala

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les elements en (*) sont requis

*