TwitterFacebook

Categorie: BESO FISAKA

Fahendrena no ilain’i Madagasikara

Mihamanakaiky ny fifidianana ary mihamafy ny fifampihantsiana sy fifanaratsiana eo amin’ireo samy kandida. Manoloana izany dia, mihamitombo ihany koa ny ahiahy ny amin’ny mety hisian’ny krizy izay hitarika ady aorian’ny fifidianana. Ny tombotsoan’olon-tokana no manjaka, satria ho an’ny sasany dia toa karazany fampiasam-bola mihitsy ity fifidianana sy fakàna fitondrana ity. Dia ho sanatria ve mitombona…

Lire la suite

Farafaharatsiny « strapontin »

Efa mananika ny 50 ny isan’ireo nirotsaka ho kandidà ho filoham-pirenena. Noheverina tamin’ity indray mitoraka ity fa mba efa nihamatotra ny mpanao politika Malagasy ary tsy hisy intsony ireo mpanandrakandrana sy mpameno isa fotsiny saingy diso hevitra ihany no niafarany. Ny zavatra tsara aloha izany dia efa tena mitombo ny farim-piainan’ny Malagasy satria betsaka izany…

Lire la suite

Miandrandra mpitondra hendry

Vao tsy ela no nankalaza ny faha-58 taona niverenan’ny fahaleovantenany i Madagasikara. Ady mafy no nataon’ny Malagasy vao tonga tamin’io daty manan-tantara io ny firenena. Ady izay namoizany ny ainy mihitsy aza, toy ny tamin’ny 29 martsa 1947, kihon-dàlana iray nahatonga ny fanomezana ny fahaleovantena ho tsy azo nihodivirana. Nambara am-pahibemaso ary ny 26 jona…

Lire la suite